<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.D. Sankey</author>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Mpitarika hendry !
 Tsinjovy ny olom-boatendry
 Tolory 'zay hevitra hendry
 Handinika sy hahakendry.
 Ry Tompo Mpanjaka mahery ;
 Vangio raha ory sy tery
 Tohano raha mahatsiaro fery
 Vimbino 'ndrao saraka irery.

[V2]
 Raha miasa dia miasa ny
 saina
 Kanefa ny tany no maina,
 Ka mila ho kivy ny aina.
 Tondrahy fandrao karankaina.
 Ny mpiasa izay voafidy
 Hamoha ny fo izay mihidy
 Hitari-panahy saro-bidy,
 Tantano hanaraka didy.</lyrics>
<title>Ry Jeso Mpitarika Hendry FFPM286</title>
<hymn_number>286</hymn_number>
</song>